Psalms 143

Faniriam-pamindram-po noho ny fahoriana mafy

Salamo nataon’ i Davida.

1

Jehovah ô, henoy ny fivavako, ary atongilano amin’ ny fifonako ny sofinao; Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.
2Ary aza dia mifandahatra amin’ ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao. 3Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo; Namely ny aiko ho lavo tamin’ ny tany izy: Nampitoeriny tao amin’ ny maizina aho, toy izay efa maty ela. 4Dia reraka ny fanahiko ato anatiko; Fadiranovana ny foko ato anatiko. 5Mahatsiaro ny andro fahiny ho Ary misaina ny asanao rehetra; Ny asan’ ny tananao no eritreretiko. 6Mananty tanana aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao. [Sela.] 7Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao ho tahaka izay midìna any am-pasana aho. 8Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko. 9Jehovah ô, vonjeo amin’ ny fa-havaloko aho; Ao aminao no iereko. 10Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’ izay tany marina. 11Noho ny anaranao, Jehovah ô, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin’ ny fahoriana. 12Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho.
Copyright information for Mg1865